ho fanatevenana amin’ny ady amin’ny aretin’ny maso, Katarakta, dia notokanana omaly teny amin’ity toeram-pitsabona eny Ilafy ity ny ivontoeram-piofanana hanatsarana ny fomba fiasa fitsaboana izany aretina izany. Ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar kosa no miantsoroka ny lafiny fampiasana ireo tekinolojia ara-pifandraisan-davitra mifandraika amin’izay fitsaboana izay rehetra, raha ny fanazavana voaray. Ahitana fitaovana hanaovana sarim-pandidiana izay natao haharitra 8 taona ity toeram-piofanana ity ary tafiditra ao anatin’ny tekinika Amerikanina Manual Small Incision Cataract Surgery (MSICS). Tanjona ao anatin’ny 3 taona ny hamoaka mpiofana miisa 120 mba hahafahana mampitombo avo 3 heny ny fandraisana ireo mararin’ity aretina ity na koa manao ny fandidiana. Raha notombanana ho 387 isa amina mponina miisa 1 tapitrisa no afaka noraisina isan-taona teo aloha teo dia tanjona ny handray 1000 isa aorian’izao andiam-piofanana izao, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija