airtel

Fahasalamana

06-févr-2024

Ady amin’ny aretina Kôlera

Averina ny fanasan-tanana amin’ny rano sy savony

Sample post image

Nandray fepetra manoloana ny mety hidiran’ny aretina Cholera eto amintsika

06-févr-2024

ny DVSSER amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Paik'ady maro no napetrany tamin’izany hahafàhana misàkana araka izay azo atao ny mety hidiran'ny aretina "choléra" eto amintsika. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny fahatongavana sy ny fiaingana eny amin'ny seranana rehetra.Apetraka ny fitaovana fanàsan-tanana amin'ny rano sy savony na rano misy "chlore" na "gel hydro alcoolique" toy izany koa ny fanasana ny tongotra sy ny kiraro (pédiluve) amin'ny rano-misy "choléra". Ho arahi-maso akaiky isan'andro ihany koa ny trangan'aretina fivàlanana eny amin'ny tobi-pahasalamana rehetra. Hohamafisina ny fahaiza-manaon'ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana eny anivon’ny distrika sy ny faritra rehetra amin'ny alalan'ny fivoriana amin'ny fifandraisan-davitra mivantana. Hojerena koa ny fampitaovana ary hapetraka mialoha eny amin'ny fari-piadidiana ara-pahasalamana ny fanafody hampiasaina amin'ny aretina raha sanatria misy ny tatitra fanairana hoy ny vaovao. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa vonona hiatrika izay tranga mety hisy ny Ministera ary mbola ampy tsara ny tahirim-panafody.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fepetra hapetraka eny rehetra eny !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap