airtel

Fahasalamana

16-oct-2026

Ady

amin’ny Bilarziozy

Sample post image

Ady amin’ny fahantrana no sady

16-oct-2026

fampirindràna fiainam-piarahamonina»
Teraka tao amin’ny kaominin’ambanivohitr’Andina, distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania ny Profesora Raphael Rakotozakandrainy, fantatry ny maro amin’ny hoe Dokotera Raphael. 74 taona ankehitriny ny tenany ankehitriny saingy maro ireo mihevitra azy ho mbola lehilahy manodidina ny 50 taona eny, raha ny fanadihadiana natao tany amin’iny faritra iny, noho ny tanjany hita ho tsy mampino. Manan-janaka miisa 4 sy zafikely miisa 8, izay efa misy mamita fianarana ho Dokotera ihany koa. Efa ben’ny tanàna nandritry ny fotoam-piasàna miisa 3 tao Andina izy ny taona 1999 sy 2015 ary 2019. Lany ben’ny tanànan’Ambositra indray izy ny farany teo ary am-perin’asa hatramin’izao. Tanindràzana ihany koa Ambositra, hoy izy, Ambositra ary nanosika hatrany ho ben’ny tanàna ny fahalalàna taorian’ny fahavitàn’ny fianarana Dokotera sy niasàna tao Antananarivo ny fahitàna rehefa nody taty an-tanàna hoe T3 no mijanona mianatra ny ankizy fa tsy ampy ny mpampianatra. Taona 1998-1999, noho izany, dia tapa-kevitra hoe mila ampiana ny mpampianatra.
NOMENA NY MPAMPIANATRA NY KARAMA
Natokako ho an’ireo mpampianatra tamin’izany, hoy ihany izy, ny karama maha ben’ny tanàna ahy tamin’izany. Misy Dokotera miara-miasa amiko amin’izao, hoy izy, izao ao, izay garabola no nianatra tamin’ny EPP natsangana tamin’izany. Nitohy izany teny amin’ny CEG sy Lisea ary notarihiko ny «thèse» na voka-pikarohany teny amin’ny oniversite. Tsy afa-mandroso ny tanàna rehefa tsy mahay ny olona ao aminy.
NIANATRA ZAVATRA HAFA
Nianatra momba ny toekarena tao Antananarivo, ankoatran’izay, rehefa avy taty Ambositra dia nivoaka ho tekinisianina ambony momba ny fiompiana. Niverina nianatra tao amin’ny fakiolten’ny fitsaboana tao Antananarivo indray avy eo. Namita fianarana momba ny fitsaboana tany am-pitan-dranomasina avy eo ary 30 taona izao no nampianarana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Isan’ny ampianarana ny ao amin’ny Fakiolten’ny mpitsabo, fambolena sy fiompiana ary oniversite hafa. Tsy misy ny sekoly raha vao tsy misy ny trano ianarana sy mpampianatra ary mpianatra. Izay no mahatonga ny ben’ny tanàna manao ezaka hikarakara ny lafiny fampianarana sy fanabeazana.
NANANGANA HOPITALY SATRIA…
Nanangana hopitaly aho satria nahita ny fahasahirànan’ireo mponina eto Andina voatery mandeha toerana lavitra raha hiteraka ary misy maty an-dalana mihitsy ny sasany vokatr’izany, hoy izy. Fanafody ihany no andoavam-bola ao anatin’izany satria sady tsy an’ny fanjakàna ilay hopitaly nefa koa tsy azo lazaina hoe manokana. Tsy toeram-pitsaboana fotsiny rahateo izany fa fanaovana fikarohana toy ny fikarohana momba ny aretina Bilarziozy, ohatra.
HETSIKA FITSABOANA BILARZIOZY
Isan-taona dia misy ny hetsika fitsaboana maimaim-poana ny bilarziozy iarahana amin’ny mpiara-miasa ao anatin’ny Madagascar institute for vaccine reasearch na MIVR, izay ivotoeram-pikarohana na «laboratoire» momba an’io aretina io ao Ambositra. Isan’ny jerena anatin’izany ny hoe firy ny tahan’aretina ary firy isan-jaton’ny olona no mety voan’ilay izy. Amin’ny alalan’izay no hitsaboana ny olona ka rehefa mihena ilay tahan’ny olona voa dia mahomby izany ilay fitsaboana. Misy MIVR any Antananarivo sy Ambositra ary i Madagasikara, tamin’ny alalan’ireo, no firenena afrikanina voalohany indrindra nampiasa ny vakisinin’ny bilarziozy, hoy hatrany ny tenany. Ny tany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany, izay miisa 50, dia aty Afrika avokoa ary ambanin’ny ziogan’ny bilarziozy. Aretina mikiky manary ny ràn’olona isan’andro ka tsy hahafahany miasa io. Izay no mahatonga antsika manafatra vary any an-dafy nefa tantsaha ny 80%. Mahatonga tsy fahombiazana amin’ny fianarana koa izany. Toy izany koa ny tanora tsy mahavita fianarana. Ny ady amin’ny bilarziozy dia ady amin’ny fahantrana no sady fampirindràna fiainam-piarahamonina ihany koa, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-oct-2026

Mailo sy mampitandrina ny Fanjakana…

Card image cap
16-oct-2026

Ny fahavoazan’ny aty na

Card image cap
15-oct-2026

Miverina mamely indray ny

Card image cap