airtel

Fahasalamana

27-mai-2022

Fahasalamana

Ady amin’ny coronavirus 1 290 854 ny Malagasy nahavita vaksiny

Sample post image

Nanomboka tamin’ny nidiran’ny vaksiny hatramin’ny 15 mey 2022 teo, miisa 1 290 584 manome 4,54% amin’ny Malagasy no vita vaksiny feno mba hiarovana amin’ny coronavirus,

27-mai-2022

araka ny tatitry ny Sampan-draharaha maneran-tany momba ny fahasalamana na ny OMS. Ny antsasa-manila tamin’ny vaksiny voarain’I Madagasikara ihany no lany tao anatin’ny taona iray. Tamin’ireo fatra 4 500 000 mahery noraisintsika mantsy, ny 52% izany hoe 2 369 775 ihany no nampiasaina, raha ny fanamafisan’ny OMS. Mba hanamafisana ny fanentanana sy ny fanaovana vaksiny, mieritreritra hanokatra fanaovam-baksiny vaovao indray ny Minisiteran’ny fahasalamana ka haharitra 100 andro io. Hiditra amin’ny vanim-potoana mangatsiaka izay fotoana ahiana hiakaran’ny trangana covid-19 rahateo isika, ka mahatonga ny Minisitera naneho ny ahiahiany sy manentana hatrany ny olom-pirenena hanao vaksiny. Ankoatra io, mitohy ihany koa ny fanentanana amin’ny hanajana ny fepetra sakana. Ho an’ny taona 2022, mieritreritra hahavita vaksiny ho an’ny mponina 8 tapitrisa amin’ny vahoaka Malagasy ny minisitera. Ankoatra ny fahavitsian’ny olona vita vaksiny, isan’ny nanary vaksiny betsaka isika eto Madagasikara, raha halalinina ny antontan’isa. Hatreto aloha, mbola tsy resin’izao tontolo izao ny valaretina coronavirus na mety niha nalefaka na koa takotakon’ny ady sy ny krizy samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mbola afa-doza ny firenen-drehetra ary lohalaharana amin’izany ny firenena mahantra tahaka antsika izay tsy manana herijika firy: ara-bola, ara-pitaovana, ara-pitsaboana hiadiana amin’ny valanaretina fa mbola ny any ivelany no ianteherana. Satria ve maimaimpoana ny vaksiny hatreto dia tsy rototra ny olona sa tena tsy naharesy lahatra ny Malagasy mihitsy ny fanentanana natao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique