airtel

Fahasalamana

06-juil-2026

Ady amin’ny kitrotro

Distrika 2 anaty hamehana,

Sample post image

ankizy 5,2 tapitrisa kendrena atao vaksiny

06-juil-2026

Miatrika indray ny ady amin’ny valanaretina kitrotro amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny faobe i Madagasikara. Hisy ny fanentanana nasionaly hatao ny 5–9 Oktobra 2026 manerana ny faritra rehetra, izay tohanan’ny Gavi (Alliance mondiale pour les vaccins et l’immunisation). Ity hetsika ity dia tanterahina isaky ny roa taona, mikendry ny ankizy 9–59 volana, ary amin’ity indray mitoraka ity dia ankizy mihoatra ny 5,2 tapitrisa no kendrena hatao vaksiny. Araka ny tatitra avy amin’ny DPEV (Direction du Programme Élargi de Vaccination) notaterin’ny fampahalamam-baovao iray ny faran’ny herinandro teo, dia distrika roa no efa niditra amin’ny dingana ara-pahamehana: Mitsinjo, nanomboka tamin’ny herinandro faha-24 sy Analalava nanomboka tamin’ny herinandro faha-25 an’ity taona ity. Hatramin’ny fiandohan’ny taona 2026, voarakitra fa tranga 207 no voamarina tamin’ny laboratoara ao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IgM positif), ary tranga 6 837 voamarina amin’ny rohy ara-pahamehana. Ny tranga IgM positif, dia manondro olona voamarina fa voan’ny kitrotro tamin’ny fitsapana laboratoara. Ny tranga voamarina amin’ny rohy ara-pahamehana kosa dia ankizy miseho soritr’aretina mazava ary mipetraka ao amin’ny faritra efa voamarina fa misy valanaretina. Raha ny fanazavana teknika, ny valanaretina kitrotro dia ambara raha misy tranga telo farafahakeliny voamarina mandritra ny herinandro efatra misesy. Ny tanjona amin’ity fanentanana ity dia ny hanatsara ny tahan’ny fandraisana vaksiny sy ny hanamafy ny fiarovana iombonana, satria mbola ambany ny haavon’ny hery fiarovana ka tsy mbola mahavaky ny rojo fifindran’ny aretina. Raha tsy misy fiarovana ampy, dia mbola mitohy ny fiparitahan’ny kitrotro, izay mety hitarika amin’ny loza ara-pahasalamana ho an’ny ankizy sy ny fiarahamonina manontolo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Maromaro ny olana ara-pahasalamàna

Card image cap