airtel

Fahasalamana

09-sept-2021

Fahasalamana

Ady amin’ny Pesta Araha-maso akaiky ny any Miandranda - Arivonimamo

Sample post image

Ho fanamafisana ny ady amin’ny valanaretina pesta dia nanantanteraka fidinana ifotony teo anivon’ny CSB Miandrandra, distrikan’Arivonimamo,

09-sept-2021

 ireo delegasiona izay notarihin’ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana na “DGMP” niaraka tamin’ireo solotenan’ireo mpiara-miasa aminy. Nisy arak’izany ny fizarana ireo fitaovana izay entina miady amin’ny valanaretina ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana toy ny aroloha, arotava, arotanana sy arokiraro sy kiraro,Blozy. Hisy koa ny fizarana ireo fanafody entina mandray an-tanana sy mitsabo ireo marary. Eo ihany koa ny fitiliana ireo olona izay ahiahiana hitondra ny tsimokaretina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly. Niato, araka izany, ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus dia tonga indray ity ny ady amin’ny pesta.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique