airtel

Fahasalamana

23-févr-2021

Fahasalamana

Ady amin’ny tazomoka Misy manodinkodina fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana

Sample post image

Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala

23-févr-2021

Jean-Louis ampahibemaso nandritra ny fananganan-tsaina, omaly alatsinainy 22 febroary 2021 fa mirongatra be ankehitriny ny tazomoka. Efa mandray ny fepetra mifandraika amin'izany ny Ministera, hoy izy. Nisy ny famatsiana "test de diagnostique rapide" ho an'ny aretina tazomoka miisa 1550 ho an'ny "Programme paludisme". Fantatra fa betsaka hoy ny Minisitra ireo olona manodinkodina ireo fanafody entina hiadiana ny aretina tazomoka eny amin'ireny tobim-pahasalamana ireny. Misintona ny sain'ny tsirairay ny minisitra hanajanona ny fihetsika mambotry firenena tahaka izany. Nahazo alalana hanaparitaka ny lay misy odi-moka ihany koa ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ary mampirisika ny tompon'andraikitra tsirairay ny Minisitra mba handray ny andraikiny hahatonga tokoa ireo fitaovana ireo any amin'ireo izay tokony hisitraka izany. Nanentana ireo Mpiasan'ny fahasalamana isan-tsokajiny ny Minisitra hanaja hatrany ny fanomezana tolotra manaja ny maha-olona, sy ny fanafoanana ny kolikoly eny anivon'ireny tombim-pahasalamana ireny. Fa nampahafantarin'ny Prof. Rakotovao Hanitrala Jean-Louis io omaly io koa fa efa apetraka sahady ny "Plan Covid ririnina" izay entina hiadiana ny valanaretina Coronavirus mandritra ny vanim-potoana mangatsika, fotoana mampirongatra aretina maro.

Nangonin’i Jean D.

 

Dans la même rubrique