airtel

Fahasalamana

19-avril-2024

Ady amin’ny tazomoka sy tsy fanjarian-tsakafo

Miara-miasa ny fikambanana Mii’zara sy ny CSB II

Sample post image

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

19-avril-2024

ny alarobia teo, hoy ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity omaly. Mirongatra, hoy ny filohan’ny fikambanana, Fafah Rarivo, ny tazomoka ankehitriny. Ao koa, hoy izy, ireo zaza hita hoe tsy ampy sakafo eo amin’ny EPP sy fokontanin’Ambohimarina. Betsaka koa ireo zaza tsy mihinana odin-kankana dia nanao fitiliana mikasika izay tazomoka izay izahay ary nanome fanafody teo anivon’ny CSB II na ny toeram-pitsaboana eny ifotony ho an’ireo rehetra voamarina fa mitondra izay otrikaretina izay. Nentanina amin’ny fandrindram-piterahana ireo vehivavy satria hita fa maro anaka ankehitriny ireo any ambanivohitra. Nisy, noho izany, ny fizahana sy fizarana maimaipoana natao ho azy ireo. Raha niisa 10 ireo nanao fitiliana na «dépistage» dia 3 tamin’izay no nahitana ilay aretina. Nisy koa tao anatin’izay ny hetsika fanaovana vakisiny sy ny fanentanana ary fampianarana ireo ankizy momba ny fikajiana ny aty vava. 350 isa teo ireo olona tonga teny an-toerana izay ahitana mpianatra sy ray aman-dreny ary olona teny amin’ny manodidina. Niisa 38 koa ireo nanao «dépistage» resaka tsy fanjarian-tsakafo. 7 tamin’izay no tena hita hoe tranga mampatahotra na «cas grave». Tena kely tsy ampy lanja ary ankizy. Miisa 30 no nanao «dépistage d’hypertension artérielle» na fitiliana raha ambony tosidrà. Zaza miisa 6 no natao vakisiny. 22 ireo nanao fandrindram-piterahana. 18 ireo zaza nozahana tamin’ny resaka nify. Ho raisin’ny CSB II an-tanana ny mikasika azy ireo. 220 teo ho eo ireo nozaraina ody kankana. Misy zaza efa 6 taona nefa mitovy lanja amin’ny zaza 4 taona, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity. Miantso ireo malalatanana afaka hiara-hiasa aminy moa ny fikambanana ho fanampiana hatrany ireo mpiara-belona satria dia mbola miankina tanteraka amin’izy ireo irery ny fandaniana amin’izany rehetra hatreto. Isan’ny tena olan’ny ankamaroan’ireo mponina ao an-toerana, hoy ny fanazavana, ny fahatahorana manatona mpitsabo. J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Mihatanora hatrany ireo olona mitondra ny otrik’aretina Vih/SIDA eto amintsika.

Card image cap
02-mai-2024

Mandeha tsara amin’izao fotoana izao ny famokarako, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana avy ao Ambohimafana,

Card image cap
30-avril-2024

Ankizy am-polony latsaky ny 15 taona no nozahana maso maimaim-poana omaly Alatsinainy 29 Aprily

Card image cap