Tsy mety foana ny aretina ambalavelona mpahazo ny zatovovavy eto amintsika. Sekoly tsy miankina iray tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo indray omaly Alatsinainy 02 Novambra no lasibatr’izany. Ankizy maromaro no indray nitondra faisana hoy ny loharanom-baovao azo. Matanjakabe izy ireo no sady mamoaka vorom-bava ka enin-dahy vao mahatazona ankizivavy iray. Maharitra ihany koa vao mitony ilay aretina hoy hatrany ny vaovao. Voatery nakana mpanompon’Andriamanitra moa tao amin’ilay sekoly nampitoniana ilay tranga ka nalefa nody avokoa ny mpianatra hisorohana ny tsy hihitarany, raha ny vaovao voaray. Ara-panahy rahateo ny aretina ambalavelona raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala. Izy no aretina mora sitranina indrindra nefa tena atahoran’ny olona koa. Iny tahotra iny no miantraika mivantana amin’ny tovovavy, antony mahamaro an’isa ireto farany voany raha oharina amin’ny tovolahy. Vao miandoha araka izany ny taom-pianarana dia miala any koa ny ambalavelona ka tokony hitadiavam-bahaolana maika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nitsikasikasina teny amin’ny tany tahaka izao avokoa ireo ankizy lasibatra !