airtel

Fahasalamana

06-déc-2022

Fahasalamana

Ambatoboeny Olona 4 no matin’ny SIDA

Sample post image

Ankoatra ny eto Antananarivo Faritra Analamanga dia mirongatra izaitsizy ny areti-mandoza SIDA any amin’ny faritra. Mitana ny laharana faharoa amin’izany ny ao Mahajanga.

06-déc-2022

Tsy mijanona ao an-drenivohitr’i Boeny irery izany fa tonga hatrany amin’ny distrikan’Ambatoboeny mihitsy. Raha araka ny loharanom-baovao voaray mantsy dia tafakatra 31 isa ireo olona fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/ SIDA voarakitra ao amin’ny CHD II any an-toerana amin’izao fotoana izao. Miisa 04 kosa ireo efa namoy ny ainy raha , miisa 02 ireo voatery nalefa any amin’ny hopitaly hafa nanomboka tamin’ny taona 2019. Tsy mifidy saranga na mahalahy sy mahavavy moa ny aretina SIDA. Ankoatra ireo mpifankatia dia anisan’ny tena manaparitaka ity areti-mandoza ity ihany koa ny fiarahan’ny lahy samy lahy. Be loatra mantsy ny mikraoba avy ao amin’ny lavaky ny fivoahan’ny maloto miditra any anatin’ny filahiana izay manafainga ny fahazoana ity areti-madoza iray ity.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap