airtel

Fahasalamana

22-avril-2026

AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

Sample post image

Tovovavy am-polony no fantatra fa

22-avril-2026

tratry ny aretina ambalavelona tao Ambohijafy Fenoarivo. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Mbolantseheno Michel dia mpianatry ny sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana iray eny an-toerana izy ireo. Efa afak'omaly Alatsinainy 20 Aprily no nitrangan'izany izany ary nalefa nody avokoa ny mpianatra hoy hatrany ny fanazavany. Mbola nitohy omaly Talata anefa izany ka efa tsikaritra ny olona nanaparitaka ilay aretina hoy ny vaovao. Tezitra mafy noho izany ireo mponina ka saika hisambotra sy hikasi-tanana io olona io. Tonga haingana anefa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ka voafehy Ilay tranga. Tovovavy maromaro mpianatra amin`ny sekoly tsy miankina iray ao Mandritsara koa no fantatra no voan`ny njarinintsy na ambalavelona omaly Talata 21 aprily folakandro. Tovolahy antsoina hoe "Jean Pierre" no tsy afaka ambavan`ny tovovavy iray isany voan`ny njarinintsy ity. Haingana ny fahatongavan`ny polisy ka avy hatrany nandeha nisambotra tovolahy io. Andrasana izay mety ho tohiny !
Pati
Légende : Ny tovovavy no mora tratry ny ambalavelona noho izy ireny mora matahotra !
 

Dans la même rubrique

23-avril-2026

voarakitra hatrizay

Card image cap