airtel

Fahasalamana

20-sept-2022

Fahasalamana

Ambolotarakely Ankazobe Notsirihina ny mety hifandraisan’ny pesta sy ny famadihan-drazana

Sample post image

Fotoana mbola mampahazo vahana tanteraka ny aretina pesta izao eto amintsika. Ao anatin’ny fotona famadihan-drazana ary hikirakirana ireo razana tahaka izao mantsy no mety

20-sept-2022

hitondran’ny voalavo izany aretina izany mivoaka ankoatra ireo olona narary dia maty ary manaparitaka izany amin’ny velona mikirakira azy indray. Mba hisorohana ity aretina ity tsy hianaka ary dia nidina ifotony, tany amin'ny tananan' Ampanokely, kaominina ambanivohitra Antakavana sy ny tananan'Ampanobe kaominina ambanivohitra Ambolotarakely ny ekipan'ny SDSP Ankazobe izay notarihin'ny Medecin Inspecteur, omaly.Fanentanana ny vahoaka amin'ny fahadiovan'ny tanana, fitsirihana ireo toeram-pitobian'ny voalavo ary famonoana parasy sy voalavo no tena natao tamin'izany. Na dia ratsy sy lavitra aza ny lalana mandeha any an-toerana dia natao ho lohalaharana foana ny fahasalamam-bahoaka hoy ireo tompon’andraikitra. Samy vonona ny hanao izay mety moa ireo mponina no sady hitandrina ihany koa amin’ny resaka famadihan-drazana hoy hatrany ny vaovao. Hatramin’ny volana oktobra moa mbola tena atahorana sy ahiana hatrany ny aretina pesta eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin’ireo mponina
 

Dans la même rubrique