zaza marary sy ilay valan’aretina
Mitohy ny fandraisana andraikitra sy fanaraha-maso ny zava-mitranga any Ampasinambo Distrikan'ifanadiana hataon'ny solombavambahoala voafidy any an-toerana Atoa Haja Dinah sy ireo mpiara-miasa aminy , momba ny fiparitahan'ilay valan'aretina mandripaka ankizy madinika any an-toerana. Ankilany , mahatsapa izy ireo fa misy ny tatitra diso voarain'ireo tompon'andraikitry ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika ny fifandaminana famonjena ireo zaza marary. Iray amin'izany ny nilazan'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Minisitera fa nisy zaza tokony ho nentina angidim-by hotsaboina maika tany Fianarantsoa saingy nentin'ny Ray aman-dreniny nitsoaka tany anaty ala. Teo koa ny filazana fa tsy tia fanafody ny olona any Ampasinambo, antony mampananosarotra ny fitsaboana. Ny tsy fisian'ny fanafody any amin'iny faritra iny hatramin'izay no nahatonga ny olona nampiasa izay karazam-pitsaboana azony nosarangotina hanavotany ny ain-janany tao anatin'ity aretina nihanaka tany an-toerana ity hoy ny tompon-tany fa tsy marina ny filazàna fa tsy tia fanafody izy ireo. Mbola nanazava izany ny PDS eo anivon’ny kaominina Ampasinambo sy ny Solon-tenan'ny Solombavambahoaka izay nidina teny ifotony. Tsiahivina moa fa efa mihatsara ny fahasalaman’ireo ankizy mbola manaraka fitsaboana hoy ny vaovao. Tsy nisy intsony koa ireo namoy ny ainy raha efa mandeha araka ny tokony hoy izy ny fizarana ireo vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho enti-miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo.
Pati
Legende : Efa manomboka voafehy ilay valan’aretina hafahafa miparitaka eto Ifanadiana !