airtel

Fahasalamana

21-mars-2024

Andro maneran-tany ho an’ny « Trisomie 21 »

Naompana amin’ny hoe : «Atsaharo ny fitsaratsaram-poana »

Sample post image

Marihina isaky ny 21 martsa tahaka izao ny andro maneran-tany ho an’ny « Trisomie 21 »

21-mars-2024

karazana fahasembanana mahazo ny olombelona. Raha ny fanazavana tsotsotra ara-tsiantifika, dia vokatry ny fisiana «chromosomes » 3 raha tokony ho 2 any amin’ny « 21ème paire de chromosomes » izay misy fiantraikany amin’ny saina sy vatan’olombelona tratrany. Napetraky ny Firenena Mikambana tamin’ny 2005, neken’ny Down syndrome international ny taona 2011, ary nankalazaina teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Down syndrome Madagascar nanomboka ny taona 2017, izany hoe andiany fahafito izao. Mandray an-tànana ireo olona tratran’izy io manomboka amin’ny fahakeliny hatramin’ny fahalehibeny ny Down syndrome Madagascar. « End the stereotype » na « Atsaharo ny fitsaratsaram-poana » no lohahevitra ho an’ny 2024. Nomarihin-dRazafinjatovo Laza Daniella Filoha mpanorina ny Down syndrome Madagascar, fa nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena maro momba ny zon’ny sembana i Madagasikara, kanefa mbola betsaka ny endrika fanilihana sy herisetra ara-tsaina sy ara-batana. Any ivelany, dia amin’ny alalan’ny « échographie » dia fantatra fa « trisomique » ny zaza ka misy ny manala, fa ho an’ny eto Madagasikara dia voararan’ny lalàna. Nosantarina tamin’ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Havana Ressort Ambohidahy, namelabelarana ny mikasika ny « trisomie 21» ny fankalazana. Hetsika fanaovana bakiraro tsy mitovy iraisana amin’izao tontolo izao kosa ny anio, mba hanehoana fa na samihafa aza dia iray ihany sy afaka miaraka. Hisy ihany koa ny « Réunion zoom » anio izay ifandraisan’izao tontolo izao. Hanao hetsika antsoina hoe : « Hizara hafaliana » ho an’ireo ankizy sy olon-dehibe mbola tsy anaty fikambanana sy tsy voaray an-tànana izay tsy mahafantatra sy tsy mahita hafaliana amin’ny maha « trisomique » azy ihany koa ny Fikambanana. Ankizy 23 no efa nisoratra anarana hotsidihana mandritra ny 15 andro, homen’ny Down syndrome Madagascar izay voatsirambin’ny tànany, ary hisy ihany koa ny fanomezana avy amin’ny malala-tànana, ary mbola mandray an-tanan-droa izy ireo ho an’izay terem-panahy. Hamaranana ny fankalazana kosa ny kongresy iraisam-pirenena hatao any Aostralia ny volana jona, hifampizarana ny zava-misy momba ny fanajana ny zon’ny olona « trisomique », ny fiainan’izy ireo any amin’ny firenena tsirairay,… ka angatahan’ny Down syndrome Madagascar fanohanana amin’ny Fanjakana.
Toky R

 

Dans la même rubrique