airtel

Fahasalamana

20-sept-2021

Fahasalamana

Andry Rajoelina Tafiditra any Etazonia na tsy vita vaksiny aza ?

Sample post image

Vao miresaka hoe: fivoahana ny firenena sy fidirana any amin’ny Firenen-dehibe, dia isan’ny mitana ny sain’ny maro ny hoe efa vita vaksiny fanefitry ny Covid 19 ve izany ny Filoha Andry Rajoelina, izay lasa any Etazonia ?

20-sept-2021

 Amin’ny ankapobeny, tsy misy mahazo miditra ao Etazonia raha tsy efa vita vaksiny fanefitry ny Covid-19 . Vao roa herinandro izay no nanamafy ny fanaovana vaksiny ho an’ny ao anatiny ny Filoha Amerikanina Joe Biden, nandray didim-panjakana manery amin’ny fanaovana vaksiny ao anatiny, mainka fa ho an’izay avy any ivelany miditra any. 200 tapitrisa eo ny Amerikanina efa nitsindrona vaksiny andiany voalohany, ary mikendry ny mbola hanaovan’ny olona 100 tapitrisa vaksiny ry zareo satria tena mirongatra ny Variant Delta. Novoizin’i Andry Rajoelina hatramin’izay fa mbola tsy vita vaksiny fa miaro tena amin’ny CVO. Mampametra-panontaniana hatrany noho izany hoe: vaksiny mangingina tany ambadika tany ve ny Filoha Rajoelina ? Ny 10 jona 2021, raha nanontaniana ny heviny momba ny mpitondra ambony tokony ho fitaratra amin’ny vaksiny ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia naneho fa efa nanao vaksiny mangingina tany ireo. Nandritra ny diany tany Frantsa farany teo moa dia nilaza ny Fanjakana fa nampiseho ny valina fitiliana maneho fa miiba ny Filoha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap