airtel

Fahasalamana

22-déc-2022

Fahasalamana

Antehiroka Nahazo hopitaly vaovao afaka handray ireo bevohoka

Sample post image

Nahazo CSB I vaovao ny ao amin’ny Fokontany Amboaroy, kaominina Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly

22-déc-2022

Alarobia 21 desambra no notokanana tamim-pomba ofisialy izany izay foto-drafitrasa natao indrindra hitsinjovana ny reny sy raza ary ireo mpiara-monina tojo tsy fahasalamana. Raha araka ny fantatra dia tsy ireo mponina ao amin’ny Fokontany Amboaroy ihany no hisitraka ity foto-drafitrasa ity fa ny faritra avaratr’Antehiroka iray manontolo mihitsy. Afa-pahasahiranana tanteraka araka izany izy ireo. Raha tsiahivina moa dia tao anatin’ny telo volana monja no nanaovana ny asa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ben'ny tanàna Rivolalaina Vonjy Arthur sy ny Fondation Axian ary ny BNI Salama no angady nanana sy vy nahitana izany notohanan’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy avy hatrany moa ny mpampivelona sy ny dokotera afaka handray ireo marary sy vehivavy bevohoka tonga manatona ity CSB I vaovao ity manomboka anio alakamisy.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa omaly
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap