airtel

Fahasalamana

25-mars-2022

Fahasalamana

Antetezambaro Toamasina II Raikitra ny fitaterana fanafody amin’ny “drône”

Sample post image

Mihazakazaka manaraka ny fivoaran'ny tontolon'ny fitaterana sy ny fomba fitaterana ireo fanafody sy kojakoja medikaly eto Madagasikara.

25-mars-2022

 Manome tanana amin'ny fanatanterahana izany ireo Mpiara-miombon'antoka. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly 24 martsa 2022 tany Antetezambaro, distrikan'i Toamasina II ny fanombohana ny fitaterana fanafody amin'ny alalan'ny "drône" ao amin'ny faritra Antsinanana. Manampy be ny famatsiana ireo Tobim-pahasalamana saro-dalana ny fisian'izao fitaterana fanafody amin'ny alalan'ny "drône" izao, satria minitra vitsivitsy no isaina dia afaka misitraka ny fanafody izy ireo. Azo antoka ihany koa araka izany ny famatsiana fanafody ara-potoana eny amin'ireo toerana lavitra ny tanan-dehibe, hoy ny famarihana. Izao tetikasa goavana izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID/IMPACT. "Izay Marary andrianina !", miavaka ary hita miharihary sy azo tsapain-tanana ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ireo Mpiara-miombon'antoka amin'ny fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Minisiteran’ny fahasalamana.
Toky R
 

Dans la même rubrique