airtel

Fahasalamana

02-dΓ©c-2025

ARETI-MANDOZA SIDA

Mbola misy olona 58.000

Sample post image

isa mandehandeha nefa tsy voatily eto

02-dΓ©c-2025

Madagasikara Tandindomin-doza ny fahasalamana ara-pananahan'ireo tanora 20 ka hatramin'ny 49 taona eto amintsika manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH Sida. Raha araka ny tarehimarika nomen'ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny Dr Mañagna Monira tamin'ny mpanao gazety omaly mantsy dia tombanana ho 10.000 eo ho eo ny isan'ireo olona lasibatr'ity aretina ity eto amintsika. Ny 32.000 isa amin'ireo monja anefa no vita fitiliana ary manaraka fitsaboana fa ny ambiny miisa 58.000 dia mandehandeha sy mirihariha mamindra aretina eny anivon'ny fiaraha-monina eny avokoa. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa mbola azo fehezina tsara ity aretina ity amin'ny alalan'ny fanentanana sy fampitomboana ny fahalalan' ny olombelona. Toraka izany koa ny fanaovana fitiliana sy ny fiarovantena arahin'ny fanalana ny tahotra sy ny henatra. Loha-hevitra noraisina tamin'ity taona 2025 ity rahateo ny hoe : "𝐌𝐒𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐀𝐚𝐧𝐚, π¦πšπ¦π©πšπ‘π¨π¦π›π² 𝐧𝐲 𝐩𝐚𝐒𝐀𝐚𝐝𝐲 𝐒𝐚𝐝𝐒𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€" . Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy omaly Alatsinainy 01 Desambra ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny VIH/SIDA. Teny amin'ny kaominîna ambànivohitr'i Bemasoandro Atsimondrano no nanamarihana izany, natrehin'ny Ben'ny tanana Ranitratsilo Jimmy, ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano....
Pati
Légende : Rtoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Dr Mañagna Monira, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony !
 

Dans la mΓͺme rubrique

05-dΓ©c-2025

firenena mandroso no tsy itomboan’ny VIHΒ»

Card image cap
04-dΓ©c-2025

Ao Vakinankaratra ny vaksiny faobe ny 8-12 desambra

Card image cap