airtel

Fahasalamana

01-oct-2026

ARETIN'NY FO SY LALAN-DRÀ

Marary 50 hahazo fitsaboana maimaimpoana

Sample post image

Tafiditra ao anatin'ny hetsika

01-oct-2026

ara-pahasalamana "Réparer les Cœurs" dia marary miisa 50 no horaisina an-tanana mandritra ny tapa-bolana ka hahazo fitsaboana mahakasika ny fo sy làlan-drà . Hisy amin'izy ireo no hisitraka ny atao hoe"angioplastie coronaire" sy "dilatation mitrale percutante" , fanokafana làlan-drà tsentsina sy fametrahana fitaovana ao amin'ny fo. Fiaraha-miasa eo amin'ny institut Médical de Madagascar sy ny Centre National de Cardiologie (CNC) avy any Mauritanie sy ny Fikambanana SHARE Monaco no angady nananana sy vy nahitana izany. Hatreto , tsy mbola nahitàna olana fa nahomby hatrany ny fitsaboana natao tamin'ireo marary noraisina an-tanana ka nisy ny fampahafantarana momba ny dingana efa vita anatin'ity hetsika "Réparer les Cœurs" ity tetsy amin'ny Hotel Carlton Anosy. Mila tsaboina sy fandraisana an-tànana manokana ny aretin'ny fo sy làlan-drà hoy ny Mpanolotsaina ambonin’ny Fanavaoazana Médecin Général ZAFITASONDRY Marcellin raha nandray fitenenana izy. Tokony hanao fitiliana haingana ny marary mahatsapa tsy tomombana mba hahafahana manome azy ireo ny fitsaboana sahaza mifanaraka amin'ny toe-pahasalamany. Tsy voatery hitsabo tena any ivelany intsony anefa ny Malagasy hoy izy fa efa misy ny fitsaboana sy ireo Mpitsabo manam-pahaizana momba ny làlan-drà sy Fo eto Madagasikara. Tsy tokony ho very fanantenana ihany koa ny marary na eo aza ny mety ho fahasahiranana ara-bola. Efa misy mantsy ny ezaka hataon'ny Fanjakana amin'ny fananganana tahirim-bola manokana hitsinjovana ireo fianakaviana tsy manana fahafahana manoloana ireo fitsaboana lafo vidy ankoatra ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon'antoka avy amin'ireo Fikambanana any ivelany. Tanjona ny hanavotana ny ain'ny Malagasy tsy ankanavaka tojo olana ara-pahasalamana.
Pati Légende : Ireo tompon'andraikitra tetsy amin'ny hôtel Carlton Anosy !
 

Dans la même rubrique