airtel

Fahasalamana

03-sept-2026

ARETINA

ALZHEIMER

Sample post image

Mahakasika malagasy maro,

03-sept-2026

hisy ny hetsika fampahafantarana hatao
Araka ny tomban’ny Institute of Health Metrics and Evaluation, hatramin’ny taona 2050 dia olona 160 000 no heverina fa tratry ny Alzheimer sy ireo aretina mitovy aminy eto Madagasikara raha mahatratra 55 tapitrisa ny olona voany maneran-tany amin’izao fotoana. Volana maneran-tany ho an’ny aretina alzheimer ny volana septambra. Ho an’ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro mody dia tanjona ny hampahafantatra bebe kokoa ny fiarahamonina sy ny fanjakana momba ity aretina ity, ary hampirisika ny fitiliana ara-potoana mba hanatsarana ny fikarakarana ireo marary, izay tsy hifantoka eto an-drenivohitra ihany fa hipaka any amin’ny faritra. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe “Raha hita soritra mialoha dia afaka mitsinjo kokoa ny fitiliana ara-potoana». Manao antso avo ho an’ny tompon’andraikitrim-panjakana ny mpitsabo sy ireo fikambanana misehatra amin’ity sehatra ity ny amin’ny tokony hanamafisana sy hampitomboana ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Alzheimer, indrindra any amin’ny faritra lavitra. Tsiahivina fa 31 taona nikarakarana ny olona tratry ny Alzheimer ny fikambanana fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro mody. Anisan’ny andraikitry ny fikambanana misehatra amin’izany ny famerenana indray ny toeran’ireo zokiolona voan’ny Alzheimer eo anivon’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny fanohanana sy fanabeazana ireo manodidina azy.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

fitsaboana any Inde saingy…

Card image cap