mitondra faisana vokatr’ity aretina ity eto amintsika raha araka ny fanadihadiana natao. Misy vao herin-taona mahery no kely indrindra amin’izy ireny nandova ilay aretina tamin’ny alalan’ny Ray aman-dReniny raha misy ihany koa ireo lasibatr’izany vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana toy ireo be siramamy loatra…. Eo an-danin’izay ihany koa anefa dia vokatry ny tsy fanatonana mpitsabo ihany koa no mampirongatra ity aretina ity hoy ny mpitsabo. Noho ny fidangan’ny vidim-piainana mantsy dia lasa malaina manatona mpitsabo ny olona ka vitsy sisa ireo manao fitiliana sy mizaha ny fahasalamany amin’ny ankapobeny. Nihavitsy ihany koa ireo marary mahalala ny tenany fa diabetika tonga mitsabo tena vokatr’izay hasarotan’ny fiainana izay ihany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mila vola betsaka hatrany ny mitsabo ny aretina diabeta eto amintsika. Iray hetsy raha kely no tsy maintsy homanina sy ilaina ho an’ny marary iray raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona marary iray. Eo amin’ny 5 na 6% eo ho eo kosa ny Malagasy lasibatr’ity aretina ity manerana ny Nosy. Ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona manokana moa dia nambaran’ny fitsaboana fa tsy tokony hotehirizina any an-trano izy ireny raha tratran’ny diabeta. Mila fitaizana manokana ihany koa mantsy ny sainy mba tsy ho simba ankoatra ny fahasalaman’ny vatany amin’ny ankapobeny.
Pati