airtel

Fahasalamana

11-mai-2023

Fahasalamana

Aretina diabeta sy homamiadana Vokatry ny fihinanana sakafo be akora simika

Sample post image

Miha mitombo hatrany ireo olona lasibatry ny aretina homamiadana sy ny diabeta eto amintsika.

11-mai-2023

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Zaranaina dia tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany fa lasibatra hatramin’ny zaza madinika mihitsy. Olona 5 amin’ny 30 isa eo ho eo ireo fantatra fa voa ao anatin’ny iray andro, mandalo amina ivon-toeram-pitsaboana tsy miankina iray. Noho ny fiparitahan’ireo karazan-tsakafo feno akora simika avy any ivelany hamidy eny an-tsena no nambarany fa antony tena mahatonga izany. Tokony ho mailo sy handray andraikitra ny Ray aman-dReny noho izany hoy izy hiaro ny ankizy madinika amin’ireny karazan-tsakafo feno akora simika ireny. Toraka izany koa ireo olon-dehibe sasany izay mihinana ihany noho ny tsiron’ilay ody ambavafo na sakafo na dia efa mahalala aza. Tokony hametraka politika ihany koa ny Fitondram-panjakana hoy izy hahafahana misoroka ireny karazan-tsakafo feno akora simika miparitaka eto amintsika ireny. Raha izao mantsy no mitohy hoy dokotera Zaranaina dia fotoana vitsy monja dia ho voan’ny diabeta sy ny homamiadana avokoa ny Malagasy rehetra. Notsiahiviny moa fa raha misy amin’ireny karazan-tsakafo ireny no tsy maintsy hohahina dia misy fanampiny hafa tokony hampiarahina aminy mba hamonoana na handevonana ilay akora simika.
Pati
Legende : Tena miparitaka tokoa eto amintsika ireo karazana ody vavony feno akora simika
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap