airtel

Fahasalamana

07-juil-2022

Fahasalamana

ARETINA LEFAKOZATRA Vokatry ny loto, mampalemy mandra-maty

Sample post image

Aretina iray mampalemy mandramaty nefa azo sorohana tsara ny aretina lefan-kozatra. Natao ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 5 taona izy io hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anatiny.

07-juil-2022

Raha araka ny fanadihadiana natao dia vokatry ny diky miparitaka eny rehetra eny ary mifangaro amin’ny vovoka lalaovin’ny zaza ka tonga hatrany am-bavany no mahatonga ny aretina lefan-kozatra. Mba hahafahana indrindra manafoana io aretina io eto amintsika ary dia hisy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra manomboka anio Alakamisy 07 Jolay, haharitra 3 andro. Hitety Fokontany mihitsy ireo tompon’andraikitra mandritra izany raha hisy ihany koa eny anivon’ny CBS II maro isan-tsokajiny. Andiany faha-18 ny hetsika koa hanentanana ireo Ray aman-dReny manan-janaka mbola tsy vita vaksiny iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra. Tsiahivina fa fatra in’efatra no tokony hataon’ny zaza iray mandrapahafenony herin-taona. Aorian’izay dia tokony hanao vaksiny hatrany ilay zaza isaky ny misy hetsika mandrapahafenony 5 taona. Hatete ao am-bava moa ny vaksiny iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra ary tsy misy mampanahy ny fanaovana izany.
Pati
Legende : Tokony hatao vaksiny iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra avokoa ny ankizy madinika rehetra !
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap