voamarina amin’ny aretina MPOX eto Madagasikara araka ny tatitra navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny 22 janoary, taorian’ny andron’ny 21 janoary izay tsy nahitana tranga vaovao. Ny 20 janoary anefa dia nisy tranga 40 na izany aza. Nambara fa voafehy ny fiparitahan’ny aretina, na dia mbola mitohy aza ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra. Hatramin’izao dia mahatratra 406 ny tranga rehetra voarakitra, ka 278 amin’ireo no mbola ahiana ary 53 kosa efa sitrana tanteraka ka afaka niverina any amin’ny trano fonenany, raha ny tatitra hatrany. Ny faritra Boeny no mitana ny isa ambony indrindra amin’ny tranga voamarina, izay efa tafakatra ho 101, raha 18 no voarakitra eto Analamanga, 6 ao Vakinankaratra, 4 ao Fitovinany, ary tranga iray avy no hita ao Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana ary Betsiboka. Manamafy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mitohy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ny toe-draharaha sy ny fanentanana ny vahoaka mba hanaraka ny fepetra fiarovana sy ny toromarika ara-pahasalamana, ka tafiditra amin’izany ny fanamafisana ny fahadiovana, ny fanajana ny elanelana ara-piarahamonina ary ny fanamafisana ny tambajotran’ny fitsaboana eny ifotony. Na dia mbola misy aza ny tranga voamarina sy ahiana, dia toa mampiseho fivoarana tsara ny tatitra satria efa misy marary maro sitrana, saingy tsy azo hodian-tsy ihany koa anefa ny fidangan’ny antontan’isa !
Toky R