airtel

Fahasalamana

01-juin-2023

Fahasalamana

ARETINA TAZOMOKA Olona 6 tapitrisa no voaaro tato anatin'ny 5 taona

Sample post image

Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.

01-juin-2023

Vokatry ny fisian’ilay tetikasa Vectorlink natao nanerana ireo distrika 20 isa ao anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy no nahafahana nanatanteraka izany. Raha tsiahivina dia nanaisotra ireo toerana fanatodizan’ny moka eny anivon’ny tanimbary maherin’ny 8.000 ha ny tetikasa. Ankizy latsaky ny dimy taona miisa 900.000 sy vehivavy bevohoka miisa 200.000 no nahazo tombontsoa tamin'ity tetikasa ity vokatr’izany. Nihena noho izany ihany koa ireo olona matin’ny tazomoka tany amin’ny faritra. Ankoatra ny resaka fahasalamana moa dia olona manodidina ny 15.000 ihany koa no nahazo asa tamin’ity tetikasa ity toy ny famendrahana ranom-panafody... Nanomboka tamin’ny taona 2018 moa no nisian’ny tetikasa Vectorlink teto amintsika ka mitentina 12 tapitrisa dolara ny vola nampiasaina tamin’izany. Famatsiam-bola avy amin'ny Vinan’ny Filoha Amerikana ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) no nampandehanana azy teo ambany fiahian'ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena na ny USAID. Nambaran’i David Parks, Tale Lefitry ny Biraon’ny Fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara omaly moa fa rehefa hampiarahina amin’ny hetsika hafa toy ny fampiasana lay misy ody moka rehefa matory, ny fitsaboana ny vehivavy bevohoka, ary ny fizarana fanafody misy “artémisinine”, ny tetikasa dia afaka mandresy haingana ny aretina tazomoka isika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap