airtel

Fahasalamana

31-mars-2022

Fahasalamana

ARETINA TIBERKILAOZY Mitombo ireo olona voany eto amintsika

Sample post image

Mitombo isa ireo olona lasibatry ny aretina tiberkilaozy eto amintsika, karazana kohoka mahery vaika izay mety hahafaty mihitsy raha tsy voatsabo.

31-mars-2022

 Raha miisa 36.000 mantsy izy tamin’ny taona 2020 dia tafakatra 41.128 ireo marary raisina an-tanana amin’izao taona 2022 izao. Ho an’ny tamin’ny taona 2020 manokana dia fantatra fa ny 82%-n’ireo marary no nanaraka ny fitsaboana. Ny 8% kosa no tsy nahavita nitsabo tena hatramin’ny farany izay marihina fa maharitra enim-bolana eo ho eo. Raha tsiahivina anefa dia maimaim-poana ny fanafody iadiana amin’ny aretina tiberkilaozy. Ho antsika eto Antananarivo ohatra dia eny amin’ny hopitaly CHRD Fenoarivo no mandray an-tanana azy ireny. Raha manaraka tsara ny toro-mariky ny mpitsabo sy misakafo ara-dalana ny marary iray dia tsy tokony hanano sarotra ny fitsaboana azy. Antony hanohanana ara-tsakafo ireo marary izany. Nisy omaly ny fizarana panier garnie ho an’ireo marary notanterahin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Izay marary andrianina no loha-hevitra nitondrana ny hetsika. Any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy moa no tena maro olona tratry ny aretina tiberkilaozy eto amintsika. Nomarihina omaly ny andro manerantany iadiana amin’ny aretina tiberkilaozy.
Pati
Legende : Hopitaly mandray an-tanana ireo mararin’ny tiberkilaozy ny CHRD ao Fenoarivo
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap