Ireo tratry ny homamiadan’ny prostaty no tena maro an’isa amin’izany vokatry ny fanaovana firaisana mihoatra ny mety sy ny fiovaovana vehivavy iarahana raha araka ny fanadihadiana natao. Mitovy amin’izay ihany koa ny vehivavy manana olona hiarahana maromaro, ka miteraka ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Misy koa anefa ireo vehivavy diso maro anaka loatra na tsy niteraka mihitsy izay lasibatra ihany koa hoy ny mpitsabo. Miseho amin’ny endriny maro ny aretina homamiadana toy ny fivontosana any amin’ny faritry ny nono ohatra ho an’ny vehivavy mihareraka, ny fanaintainana, mety mandeha ra ihany saingy tsy misy afa-tsy ny fanaovana fitiliana no hamantarana ny tena zava-misy marina. Nankalazaina ny sabotsy 04 febroary teo ny andro maneran-tany ho an'ny ady hatao amin'ny aretina homamiadana. Loha-hevitra nanamarihana izany ny hoe : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Raha tsiahivina moa dia vokatry ny fihanaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra ao anaty no mahatonga ny aretin’ny homamdiana ary ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voany avokoa. Raha hita sy voatsabo mialoha kosa anefa ity aretina ity dia ho mora sitranina ihany ka tsara ny manatona mpitsabo avy hatrany raha vantany vao misy tranga hafahafa.
Pati
Legende : Mariky ny aretina homamiadana ny fisian’ny fivontosana amin’ny nono ho an’ny vehivavy (Sary fanehoana)
Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.
Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,