airtel

Fahasalamana

13-sept-2022

Fahasalamana

Aretin’andoha Tsy mifidy taona , maro ireo olona voany

Sample post image

Lasa aretina mitaiza ny Malagasy amin’izao ny aretin’andoha. Tsy hanavahana intsony izy io na olon-dehibe na tanora na ankizy fa saika lasibatra avokoa ny rehetra.

13-sept-2022

Antony maro no mahatonga ny aretin’andoha raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Rija Mandimbison eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana ary misy karazany maro izy io. Anisan’ireny ny havizanana sy ny harerahan-tsaina ateraky ny hasarotan’ny fiainana. Rehefa samy reraky ny adin-tsaina amin’ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro sy ny fampandehanana ny fiainana mantsy ny tsirairay dia marary an-doha avy hatrany ka misy miakatra mihitsy ny tosi-dra. Ny sasany moa dia misy mamoy ny ainy mihitsy rehefa tonga any amin’ilay antsoina hoe : fahatapahan’ny lalan-dra. Misy ihany koa ireo marary maso. Fa ankoatra ireto farany dia misy ihany koa ireo tratran’ilay kankana any amin’ny ati-doha izay vokatry ny fihinanana ireo karazana legioma manta nambolena tamin’ny zezika misy tain-kisoa. Tsy tokony ho variana amin’ny paracetamol fotsiny araka izany ny olona marary an-doha iray hoy hatrany ity mpitsabo ity fa hijery ny tena fototry ny aretiny sao sanatria hamoizana ny aina izany.
Pati
Legende : Henjana rehefa marary sy manaikitraikitra izay ny ao anaty loha ao
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap