airtel

Fahasalamana

10-mai-2022

Fahasalamana

Aretin’ny vanin-taolana 5 taona ny zaza dia mety efa voan’ny “Rhumatisme”

Sample post image

Fotoana fihetsehan’ny aretin’ny vanin-taolana izao. Anisan’ireny ny romatisma izay fantatra fa 5 taona no zandriny indrindra voany.

10-mai-2022

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina anefa dia tsy amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina ihany no mihetsika ity aretina iray ity. Amin’ny fotoana rehetra mihitsy hoy izy fa tsy mitovy amin’ny goty. Nohazavainy mantsy fa avy amin’ny aretin-tenda, nify goaka tsy voatsabo no mahatonga ny romatisma, miampy ny aretin-koditra izay no mahatonga ireo ankizy madinika ho voany. Tsy avy amin’ny sakafo araka izany no mahatonga ny aretina romatisma fa avy amin’ny viriosy. Vahaolana hahafahana misoroka ity aretina ity araka izany ny fitsaboana haingana ireo karazan’aretina ireo raha vantany vao misy. Mikasika ny goty kosa indray dia nomarihiny manokana fa vokatry ny tsy fahampian’ny singa ao amin’ny vatana mandevina ilay hena matsiro no mahatonga ilay aretina hany ka lasa mivaingana mandehandeha any anaty ra any ireny karazana tsiro ireny.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap