airtel

Fahasalamana

03-mai-2024

Fahasalamana

ARETIN’NY VOA Mihabetsaka ireo ankizy voany

Sample post image

Mihatanora hatrany ireo olona lasibatry ny karazana areti-mandoza eto amintsika.

03-mai-2024

Ankoatra ny Vih/Sida dia fantatra fa manao ny hataony ihany koa amin’izao ny faharerahan’ny voa na ny insuffisance renale. Mihabetsaka ireo ankizy voany raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana, toy ireo mandalo ao aminy. Ankoatra ny fisotroana tambavy fahatany sy ny fihinanana fanafody diso tafahoatra dia notsindriany manokana fa anisan’ny antony hahazoan’ny ankizy ity aretina ity ny fihinanana ody ambavafo be akora simika. Manampy trotraka izany ny tsy fisotroana rano izay tokony hahatratra 1 litatra sy tapany na 2 litatra isan’andro ho an’ny olona iray, ny tsy fahampian’ny torimaso ary ny fitazonana fivalanan-drano ela loatra. Raha vantany vao mandroatra ny fivalanan-drano na miloko mavomavobe na misy fofonabe dia efa fambaran’ny faharerahan’ny voa izay raha ny nambarany. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hihinanana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo sy ny legioma, ny tokony hatoriana mandritra ny ora 8 isan-kalina raha kely arahin’ny fisotroana rano ara-dalana. Tsiahivina moa fa efa niakatra ho 500.000 Ar isaky ny mandeha amin’izao ny manao dialyse indray mandeha raha 210.000 Ar tany amin’ny 2 taona lasa. Mila manao izany indroa na intelo isan-kerinandro anefa ireo olona tratry ny faharerahan’ny voa raha te ho ela velona. Tsy misy afa-tsy ny fisorohana sy ny fitandremana noho izany no vahaolana tsara indrindra.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !

 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Araka ny didim-panjakana 2017-066 ny 31 janoary 2017 mikasika ny fahalalana nentim-paharazana na

Card image cap
19-juil-2024

Tsy azo lavina fa mifanerasera amin’ny COVID isika, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson.

Card image cap