airtel

Fahasalamana

30-juin-2021

Fahasalamana

AVC, Prostaty, Diabeta Manampy sy manome tanana ny TASA

Sample post image

Mirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’izao vanim-potoana mampahazo vahana ny hatsiaka eto amintsika izao.

30-juin-2021

 Anisann’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny gripa sy ny kohoka. Maro ihany koa anefa ireo olona tratry ny fahatapahana lalan-dra na ny AVC raha araka ny fanazavan-dRanaivoharison, tale jeneralin’ny orinasa TASA Madagascar ankoatra ny fiabeta sy ny prostaty. Manoloana izany dia hanohy ilay fizaham-pahasalamana maimaim-poana mandritra ny 1 volana ho an’ny daholobe indray izy ireo, hita etsy amin’ny 67 ha misy ny foibeny, eny Ivato ary ny eny Ampasampito. Na izany aza anefa hoy ny tale jeneralin’ny TASA dia noferan’izy ireo ho 180 isan’andro ihany ireo olona marary raisina. Maharaka tsara moa ny fanafody ho an’ny TASA ho an’ireo karazan’aretina rehetra ka anisan’ireny ny tazo raha toraka izany ihany koa ny coronavirus. Manotra ihany koa izy ireo ho an’ireo olona avy raisin’ny dokotera ka fantatra fa mila izany. Namoaka teny filamatra vaovao moa ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre amin’izao fanaparitahany ny fitsaboana tanterahiny manerana ny Nosy izao dia ny hoe : “Ny lalako azony sakanana, ny fiainako azony somparana, fa ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy tzy azony foanana.”
Aline R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap