airtel

Fahasalamana

12-janv-2022

Fahasalamana

Banky Iraisam-pirenena Nanome 41 tapitrisa dolara hividianana vaksiny

Sample post image

Nanolotra famatsiam-bola mitentina 41 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara mba ahafahana mahazo sy misitraka vaksiny hiadiana amin’ny coronavirus sy hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana ny Banky Iraisam-pirenena.

12-janv-2022

 Tohana ara-bola fanampiny mba hividianana vaksiny sy hitahirizina izany, ary hanapariahana azy manerana ny Nosy io. Ny faran’ny volana desambra 2021 teo no efa nisy ny fifanaovan-tsonia teeo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitry ny fahasalamana, izay nentina nanamafisana ny tetikasa santatra izay efa nankatoavina ny jona 2021 misy famatsiam-bola hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara. Amin’ny alalan’io tohana io tapitrisa dolara io, afaka misitraka vaksiny 1 tapitrisa fatra fanampiny i Madagasikara izay manome 3% mahery amin’ny mponina. Noho ny tohana vao nomen’ny Banky Iraisam-pirenena io dia afaka mividy vaksiny 9 tapitrisa doses sy afaka mitahiry sy mitsinjara izany manerana ny Nosy i Madagasikara. Hisy ihany koa ny hetsika ara-panentanana hitarihana ny olona hanao vaksiny. Hatramin’izao, nahatratra 3 560 000 fatra ny vaksiny efa azon’i Madagasikara. Ny ankamaroany dia azo tamin’ny alalan’ny « Mécanisme Covax ». Ny volana novambra 2021 no nahazo ny andiany voalohany tamin’ny vaksiny azo tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena i Madagasikara. Nisy ny fahatongavan’ny vaksiny Janssen 302 400 tamin’ny alalan’ny AVAT (African Vaccine Trust).
Toky R
 

Dans la même rubrique