airtel

Fahasalamana

08-juin-2022

Fahasalamana

Caravane de la santé Olona miisa 8000 mahery no ezahina hahazo tombontsoa

Sample post image

Miditra amin’ny andiany fahadimy ny caravane de la santé ahitana karazana fizaham-pahasalamana maro lafy, indrindra fa ho an’ny vehivavy.

08-juin-2022

Niainga omaly maraina teto an-drenivohitra ary nihazo avy hatrany ny distrikan' i Manjakandriana izany, hetsika izay arahina fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra ihany koa. Anisan'ny mampiavaka ity andiany fahadimy ity ny fisian'ny tolotra fitarafana toy ny "radiographie" sy "mammographie" izay lafo dia lafo ny sarany raha eto an-drenivohitra nefa dia omen'ny Fitondram-panjakana maimaim-poana ho an’ireo izay mila izany. Toerana efatra no hampiantrano ny carnavale medicale izay haharitra herinandro. Aorian'ny distrikan'i Manjakandriana dia ny distrikan’i Brickaville sy ny kaominina Mahavelona (Foulpointe) ao amin’ny Faritra Atsinanana ary hifarana any amin' ny Kaominina Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo izany.Olona mihoatra ny 8000 isa no kendrena hahazo tombotsoa mivantana amin’izany raha araka ny nambaran'ny Prof. Zely Arivelo Randriamanantany, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny manampy betsaka amin’ny fanatanterahana izao hetsika izany ny Fikambanana Fitia, ny DASP eo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika ary ireo mpiaramombon’antoka samihafa.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap