airtel

Fahasalamana

02-nov-2021

Fahasalamana

Centre vonjy Befelatanana 829 ireo olona voaolana hatramin’ny fiandohan’ny taona

Sample post image

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona voaolana eto amintsika. Ireo ankizy sy vehivavy no tena mahita faisana amin’izany.

02-nov-2021

 Ankoatra ireo fianakaviana, na Raikely, na mpampiasa na olona mitaiza na sanatria jiolahy miditra an-keriny ao an-tokantrano dia fantatra ihany koa izao fa tsy mitsaha-mivoatra ny endrika hisehoan’ity fanolanana ity eto amintsika. Efa tsy tahotra sy henatra manao izany amin’ny anabaviny ihany koa mantsy ny lehilahy amin’izao ka tsy misy azo hitokisana intsony. Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny Centre Vonjy Befelatanana dia nahatratra 829 ireo olona voaolana hatramin’ny volana Janoary fiandohan’ny taona 2021 teto amintsika. Nahatratra 940 kosa izany tamin’ny taona 2020 , 934 tamin’ny taona 2019. Misy amin’ireo olona voaolana ireo no ankizy vao am-bolana raha misy ihany koa ireo vehivavy efa lehibe. Ankoatra ny fikarakarana sy fanohanana ara-tsaina ireo voaolana moa dia fantatra fa mandefa avy hatrany ny raharaha eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny Centre hahafahana manafay ireo mpanao ratsy.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap