airtel

Fahasalamana

04-avril-2022

Fahasalamana

C𝗛π—₯𝗗 π—œπ—œ π— π—”π—‘π—”π—žπ—”π—©π—”π—Ÿπ—¬ Nahazo milina mpamokatra herinaratra vaovao

Sample post image

Nahazo milina mpamokatra herinaratra vaovao ny CHRD II ao Manakavaly, distrikan'i Manjakandriana, Faritra Analamanga.

04-avril-2022

Ho fitandroana ny ain’ireo marary indrindra fa ireo mpiteraka mety handalo fotoan-tsarotra tampoka ateraky ny fahatapahan-jiro no anton’izany ka mety hamoizana aina. Tonga nanolotra izany tamin'ny fomba ofisialy taorian'ny Fambolen-kazo notanterahiny ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny profesora . Zely Arivelo Randriamanantany. Nandritra izany no nitondran’ny lehiben’ny hopitaly teny fisaorana ho an’ny Fitondram-panjakana noho ny ezaka hataony. Hanampy betsaka ity CHRD II ity amin’ny asa fandidiana izay hiantsorohany mantsy ny fahatongavan’izao fitaovana izao. Miisa 5 isan’andro eo raha kely ireo marary mandalo fandidiana eo anivon’ity hopitaly iray ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ilay efitrano nametrahana ilay fitaovana
 

Dans la mΓͺme rubrique