airtel

Fahasalamana

07-févr-2024

Composé, lasopy,…

Ilana fitandremana ny fisafidianana ireo mpivarotra

Sample post image

Tena hiankinan’ny aina ny fahasalamana. Rehefa ny vatana no tsy salama

07-févr-2024

dia tsy afaka ny hamokatra ny olona iray ka ankoatra ny orinasa hiasany dia hidiram-pahasahiranana ihany koa ny ankohonany. Anisan’ny antony tokony hisafidianana sy handanjalanjana ny sakafo hanina izany indrindra fa ny fisafidianana ny toerana hihinanana sakafo ho an’ireo tsy mahavita mahandro avy any an-trano. Mety ahitan-doza mantsy izany ary hamoizana ny ain-dehibe mihitsy raha tsy mahay. Voalavobe iray no hitan’ny mpandalo tao anaty vitrine, tamina tsena mpivarotra hani-masaka iray teny Avaratr’Antanimora teny omaly ary azony sary tsara. Teo amin’ny sisin’ilay loviabe misy paty sy atody io voalavo io no nandehandeha raha mbola variana tamin-java-kafa kosa ilay mpivarotra. Raha tsiahivina kely anefa dia saika hani-masaka tahaka ireny avokoa no hohanin’ny Malagasy amin’izao vokatry ny rotorotom-piainana isan’andro sy ny fahasahiranana. Lohalaharana amin’ireny ny kompoze na 500 Ar miaraka amin’ny ron-dasopy…. toy ity nisy voalavo hitantsika amin’ny sary ity. Tokony hitandrina araka izany ny tsirairay amina tranga tahaka itony sao hitera-doza ho an’ny fahasalamana ilay fikafiriana. Nambaran’ny dokotera moa fa ankoatra ny aretina pesta izay mbola mahazo vahana eto amintsika dia mitondra aretin-kibo mahery vaika amin’ny sakafo masaka izay lalovany na hitsahiny ny voalavo noho izy ireny mandeha sy mivelona amin’ny toerana maloto toy ny any amin’ny trano fivoahana sy ny fanariam-pako. Mety handoa ihany koa ilay olona lasibatra raha araka ny fanazavana azo hatrany. Antso avo ihany koa no hatao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hametraka fepetra hentitra mikasika ireny mpivarotra hani-masaka marobe eto amintsika ireny sao hamono olona raha tsy mahatandrina.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay paty sy atody nisy voalavo !
 

Dans la même rubrique