airtel

Fahasalamana

12-avril-2021

Fahasalamana

Concentrateur d’oxygène Misy fahasarotana ny fampidiran’ny tsy miankina azy

Sample post image

Olana hatrany eto Madagasikara, indrindra fa amin’ireo faritra tena be trangana coronavirus toa an’Antananarivo sy Mahajanga ny “oxygène”

12-avril-2021

 

 

 

 ho an’ny marary. Laza bizina, ary handaniana 4hetsy ka hatrany amin’ny 8 hetsy ariary ny “bouteille doxygène” teo aloha. Ankehitriny, na milaza ho efa mamokatra aza ny Fanjakana, ary ampy ny filàna, dia mbola maro ny manana olana. Hatramina filohana andrim-panjakana iray teo aloha ny faran’ny herinandro teo dia nanontany tao amin’ny tambajotran-tserasera hoe: aiza ny misy toerana afahafaha-mameno azy ireo. Toe-javatra toa maneho, fa na ny olona ambony sy ny manan-katao aza sahirana. Asa ihany koa na fifandrifian-javatra na ahoana, fa maro ny fitarainana sy fanamarihana voaray ny faran’ny herinandro teo, fa gejaina sy giazan’ny Fanjakana ny “concentrateur doxygène” nafaran’ny tsy miankina tonga tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa halefa any amin’ireo CTC-19 vao hatsangana. Andrasana izay fandisoana na fanamarinana avy amin’ny manam-pahefana momba io, fa raha ny fanazavana, avy amina olon-tsotra, dia nihitsoka ny famoahana io karazana entana io tao amin’ny ladoany, ka izay no heverina fa antony.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap