airtel

Fahasalamana

26-avril-2021

Fahasalamana

CSB II Andoharanofotsy Marary 21 ahiana ho voan’ny Covid 19 ny sabotsy teo

Sample post image

Mbola nahatratra 39 isa ihany ireo olona tonga nanatona ny CSB II Andoharanofotsy tamin’ny Sabotsy fotoana nandalovanay teny an-toerana

26-avril-2021

 

 

  nandritra ny fihibohana. Ny 21 tamin’ireo raha araka ny fanazavan’ny medecin chef Rasamoelina Dany dia ahiana ho voan’ny Covid 19 avokoa. Mahatratra 150 isan’andro kosa ireo marary tonga manatona azy ireo amin’ny andavanandro ka ny 120 isa amin’ireo dia ahiana ho voan’ny Covid daholo ihany koa noho ireo soritr’aretina hita aminy. Na izany aza hoy hatrany ity dokotera ity dia ampy tsara ny fanafody. Vatsiana paracetamol, vitamine C, azithromycine, magne B6, zinc ary CVO avokoa izay ahiana rehetra mba hahafahana miady sy manohitra ilay aretina. Voaray an-tanana araka ny tokony ho izy avokoa araka izany ny marary. Tsiahivina moa fa amin’ny 06 ora maraina dia efa misy marary milahatra eo anivon’ity CSB II ity isan’andro izay raisin’ny dokotera avy hatrany raha mbola misy tonga ihany hatramin’ny 07 ora hariva.

Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap
26-mars-2024

Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana tonga manatona mpitsabo amin’izao.

Card image cap