airtel

Fahasalamana

04-juin-2026

DISTRIKAN'I MANANARA AVARATRA

Tongan'ny aretina Mpox ihany koa

Sample post image

Tongan'ny aretina Mpox na ny

04-juin-2026

nendran-dRajako ihany koa any amin'ny Distrikan'i Mananara Avaratra. Omaly no nahafantarana fa efa ahitana ity soritr'aretina ity any an-toerana, antony nahatonga ny Médecin inspecteur any an-toerana hanao fanentanana momba ny fepetra tokony horaisina sy ny fahadiovana hisorohana ny aretina tsy hihanaka. Nisy araka izany ny fampahafantarana nataony fa maimaim-poana ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox. Indroa no hanaovana izany ka afaka herinandro 4 ny faharoa fa tsy azo hatao mifanesy. Tokony hanao arovava orona ihany koa ny tsirairay hoy izy arahin'ny fanasan-tanana amin'ny savony matetika. Tsiahivina moa fa olona miisa 1124 no tratry ny aretina Mpox eto amintsika. Miparitaka manerana ny distrika 51 isa izy ireo izany hoe : efa lasa 52 isa indray ankehitriny. Olona miisa 3 no efa namoy ny ainy hatreto raha 858 no efa sitrana.
Pati
Légende : Aretina mahafaty ny Mpox saingy azo tsaboina tsara !
 

Dans la même rubrique