hoy ny Dr Ratovoson Andriamihaja, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana nentim-paharazana sy zavamaniry fanao fanafody ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, nandritry ny fivoriamben’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana tetsy Mahamasina omaly. Misy lalàna mifehy toy izany koa ny fanafody nentim-paharazana, hoy izy. Tokony hanatona ny fitaleavana misahana izany raha mikasa hanao dokam-barotra momba ny fanafody satria misy fepetra arahana io. Misy sazy mifanandrify amin’ny fanaovana dokam-barotra tsy marina ao anatin’ny sata mifehy ny fifandraisana na «code de la communication médiatisée», hoy hatrany ny tenany.
(Sary fanehoana)
J. Mirija