airtel

Fahasalamana

04-mars-2022

Fahasalamana

Dokotera Feziny 20 taona nanampiana ny mpiara-belona

Sample post image

Feno 20 taona amin’ity taona 2022 ity ny naha-mpitsabo an’ny dokotera Seraphine Feziny Fernand, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Marie Stella etsy Analamahitsy.

04-mars-2022

Hetsika maro sosona no entiny hanamarihana izany hanampiana ny mpiara-belona. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia saika manao ambin-javatra ny resaka fitsaboana avokoa ny ankamaroan’ny olona raha araka ny fanazavany. Io fitsaboan-tena io anefa hoy hatrany izy dia hiankinan-javatra marobe tokoa toy ny fahafahana miasa sy mamokatra ara-dalana, ny fananana aina sy hery hikarakarana ny ankohonana, ny fitomboan’ny taham-pahavelomana…. Hisy ny hetsika karakarain’ny dokotera Feziny sy ny ekipany araka izany. Fihenam-bidy hatrany amin’ny 20% no omeny ireo tsy salama rehetra tonga manatona azy ao amin’ny centre ao anatin’izany fankalazana izany. Arahina fampianarana sy toro-hevitra momba ny fahasalamana ao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook izany hanampiana ny mpiara-belona mba hanana toe-pahasalamana milamina sy mirindra.
Pati
Legende : Dokotera Feziny manam-pahaizana manokana amin’ny fitsaboana ny aretina diabeta sy ny tosi-dra
 

Dans la même rubrique