airtel

Fahasalamana

28-janv-2021

Fahasalamana

Dr Domoina Soakanto Rakotonoely “Misarika AVC ny sakafo tian’ny Malagasy ankehitriny”

Sample post image

Na ny olon-dehibe na ny ankizy dia mety ho tratry ny antsoina hoe “Accident vasculaire cardiaque” na AVC,

28-janv-2021

 

 

 

 amin’izao fotoana izao, hoy ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo, Domoina Soakanto Rakotonoely.

Ireo  fitrangany

Ao ilay tsentsina any amin’ny fandehanan’ny ra anaty atidoha. Misy koa ilay “accident hémorragique” izay fivakisan’ny lalan-dra any amin’ny atidoha hatrany. Samihafa no antony. Ny olona efa mihoatra ny 60 taona no tena tratran’izy io fa misy ankizy kely taona koa satria mety mifandray amin’ny fifandovana ilay izy. Misy ny karazana haretim-po. Isan’ny antony daholo izany. Ny tena betsaka amin’izao dia ambony loatra ny tosidra ary tsy voatsabo tsara na natao tsinontsinona. Ny gasy izao lasa tendan-kanina daholo amin’ity karazan-tsakafo be “cholestérol” loatra ity. Be menaka loatra ilay sakafo hoanina dia matavy rano tsy misy dikany daholo. Mora voan’izy io koa ny olona diabetika.

Inona no tokony atao

 Ilaina noho izany ny fanaovana fanatanjahantena. Ny fandanjana ny sakafo hoanina. Tokony ialana koa, hoy hatrany ny tenany, ny tsy fihetsehana tafahoatra satria ireny no tena mora andairan’ny rarin-tsaina. Tandremo koa ny finanana fanafody manala fanaintainana satria miteraka fitosahan-dra any amin’ny atidoha. Marobe, hoy hatrany izy, ary marina koa ny hoe isany mahatonga izany ny fitotonganam-piainana tampoka saingy aleo tony sy mitsikitsiky lava foana na inona mitranga hisorohana io aretina io.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap