airtel

Fahasalamana

14-avril-2021

Fahasalamana

Dr Edmond Rakotomalalala “Niandry kely aloha aho vao namaly ny antson’ny Filoha”

Sample post image

Vahiny manokan’ny fahitalavitra Real TV ny Dr Edmond Rakotomalala omaly.

14-avril-2021

 

 

 

Nianatra ho mpitsabo teny amin’ny anjerimanontolo ary nivoaka tamin’ny taona 1986 izy raha ny voalazany. Nandalina manokana momba ny zava-maniry avy eo, ary 34 no efa nanaovany izany. Ny fianarana tao amin’ny “médicine” dia mianatra ny fanafody voavoatra, ary ny nenti-paharazana dia mandalina ny hoe ahoana ahafahana mampiasa ny zava-maniry ho fitsaboana. Nambarany fa mpikambana ao anatin’ny ANTM Fikambanan’ny Mpitsabo nenti-paharazana izy, ary efa nahazo fanamarinana manokana tamin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, efa nihaona tamin’ny Filoha,… “Manana lalàna sy fehezin’ny lalàna ny tanintsika, ka mba tsy hiteraka fanapoizinana sy fanaotaovana foana dia tokony handalo fenitra ny zavatra ampiasaina. Izaho tsy hanaotao foana, fa hamariniko ara-tsiansa amin’ny alalan’ny laboratoara miisa 3 aloha vao mahatoky ny tenako aho”, hoy io mpitsabo io. Ny filoha dia nomen’Andriamanitra hitsabo sy hiaro ny vahoaka ao anatiny, ary izaho dia nomen’Andriamanitra hitsabo izay mino sy mahita, hoy hatrany I Dr Edmond. Nambarany fa tena misy ny ravin-kazo sy ny fakan-kazo eto amintsika tena afaka hitsaboana ny valanaretina, ny tsimokaretina, ny homamiadana,… eto Madagasikara.

“MISY IREO SINGA MIFANANDRIFY AMIN’NY CORONAVIRUS”

 Ilay ravina hitako rehefa nojerena tamin’ny laboratoara, dia nahitana “saponozide, flavonoide, polifenole,…”, dia tena mifanandrify amin’ity karazana aretina lalovantsika ity, hoy izy. Efa tonga ao an-tsaiko ny fanafody ho an’ny aretina dimbin’ity coronavirus ity, izay mbola hojerena. Izay no nahatonga ahy niandry vao namaly ny antson’ny Filoha. Nohamariniko ara-tsiansa, ary rehefa voamarina dia hamidy amin’izay. Betsaka ny kazaran’olona sitrako tamin’ity fanafody ity. Ny tenako mandritra ny andro-pianako dia hanasoa ity firenena ity, entika amban’ny lalàna fa tsy hanaotaovako foana, hoy ity Mpitsabo nalaza be tato ho ato ity.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap