Dokotera Elison Randriambololona, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny ivon-toerana Harena ny Fahasalamana. Tena mamely io aretina io rehefa vanim-potoanan'ny ririnina raha araka ny fanazavany no sady tsy mifidy taona raha ny aretin'ny homamiadana sy ireo karazana fery kosa no tena manjaka amin'ny vanim-potoanan'ny hafanana. Ho azy ireo manokana dia mitsabo amin'ny alalan'ny zava-maniry natoraly 100% izy ireo izay nomarihiny manokana fa lasa tena tian'ny Malagasy. Tsy manindrona izy ireo no sady tsy mandidy ihany koa. Na izany aza dia mampiasa fitaovana toy scanner hitiliana ilay aretina ny ivon-toerana. Mampiasa fanafody avy any ivelany koa izy ireo amin'ny alalan'ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Ho an'ireo marary tsy manam-bola hanaovana traitement moa dia fantatra fa afaka mifampiraharaha amin'izy ireny tsara ny Harena ny fahasalamana indrindra amin'izao hasarotan'ny fiainana izao. Efa 15 taona izao no nisian'ity ivon-toeram-pitsaboana ity. Ahitana azy ny eny Mahitsy, Imerintsiatosika, Talatavolonondry, Antsirabe.....
Pati
Légende : Izy no dokotera Élie Randriambololona sady tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Harena ny Fahasalamana !