airtel

Fahasalamana

20-juin-2022

Fahasalamana

Dr Fidy Bariniaina “Mety hisy andiany fahaefatra ny Covid 19”

Sample post image

Mety hisy andiany fahaefatra raha ny vinavinan’ny mpitsabo ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika. Eo amin’ny sehatry ny fitsaboana mantsy dia tsy misy izany hoe : 2+2 dia tsy maintsy 4 izany.

20-juin-2022

Vinavina ihany anefa izany hoy dokotera Fidy Bariniaina. Na izany aza dia nomarihiny manokana fa mbola tsy miova ny fomba fisehon’ity aretina ity eto amintsika. Tamin’ny volana jolay taona 2020 hoy izy no nisy ny andiany voalohany teto amintsika. Ny volana mey 2021 indray no nisy ny andiany faharoa, ny volana jona 2022 ny andiany fahatelo raha mbola vinavina fotsiny ihany ny mety hisian’ny andiany fahaefatra. Tsy mbola miova ihany koa ny fisehon’ilay aretina hoy izy ka misy ireo maty, misy ireo tratry ny sery sy ny kohoka fotsiny ihany raha misy ihany koa ireo tratry ny forme grave.Rehefa betsaka ireo olona lalovan’ity aretina ity eto amintsika na ilay antsoina hoe : PIC hoy ny fanazavany dia toy ny vita vaksiny avokoa ny rehetra saingy tsy maharitra izany, antony tokony hanaovana vaksiny. Isaky ny 8 na 10 volana eo ho eo no mitranga izany hoy hatrany dokotera Fidy Bariniaina ka tokony samy hitandrina ny rehetra. Manentana ny rehetra mba hanao arovava orona ny tenany araka izany, ny fihinanana ireo karazan-tsakafo feno sy ampy hery fiarovana. Tsiahivina moa fa tafakatra 299 ireo olona tratry ny valan’aretina Covid 19 eto Antananarivo hatramin’ny omaly alahady.
Pati ‘
Legende : Manahy ny hisian’ny andiany fahaefatra amin’ny Covid 19 ny Dokotera Fidy Bariniaina (Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique