airtel

Fahasalamana

08-oct-2021

Fahasalamana

Dr Fidy Bariniaina “Tsy afaka hihidy mandava-taona isika”

Sample post image

Na efa nihena aza ny tranga vaovao amin’ny Coronavirus dia entanina foana isika hanao arovava orona, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina.

08-oct-2021

Entanina isika hanao vakisiny, hoy izy. Mafana izao ny andro. Tonga indray ny moka. Tonga indray ny tazo no dikan’izany. Ady amin’ny tazomoka sy ny moka izany izao no atao. Totofana ny rano miandrona manodidina ny trano. Esorina ny lobolobo. Tsy adino ny mampiasa lay sy manidy varavarana rehetra mialohan’ny andrehetana jiro. Aleo manatona dokotera vao misy trangana fanaviana. Eo koa ny areti-kibo izay ilana fahadiovan’ny tanana, indrindra, ho fiarovana amin’izany. Tsy afaka hihidy mandava-taona isika fa tsy maintsy hisokatra io sisintany io atsy ho atsy. Ny firenen-kafa mandroso manana ny ampy sy manan-kohanina no afaka mihidy mandava-taona. Isika mila manondrana sy manafatra entana. Tsy nandripaka olona betsaka, raha ho an’i Afrika amin’ny ankapobeny ny Covid 19. Tsy maintsy naka ny fepetra rehetra fotsiny isika, noho ilay izy aretim-baovao izay mbola tsy hay ny fivoarany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap
22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap