airtel

Fahasalamana

23-janv-2024

Dr Fidy Bariniaina

“Tsy fiarovana amin’ny areti-maso ny solomaso”

Sample post image

Aretina mahavoa ny ivelambelan’ny maso sy ny hodi-maso ny “conjonctivite”,

23-janv-2024

hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Indraindray io avy amina valanaretina na “virus” dia antsoina hoe “conjonctivite viral”, hoy izy. Indraindray avy amina zavatra tsy zaka na “allergie” dia misy koa ny avy amina bakteria na “conjonctivite bactérienne”. Indraindray koa “viral” no iatombohany fa misy bakteria misosoka avy eo. Ilay “viral” mijoy ranomaso be ilay olona. Mena maso! Mamasipasika anaty maso. “Bactérienne” ilay hitantsika misy taimaso miraikitra be ireny. Maso iray no voa amin’ny ankapobeny fa mety voa daholo koa. Azo avy amin’ny fifampikasohana ilay aretina. Mikoso-maso ilay olona dia rehefa misy olona arahabainy dia mifindra amin’iny koa ilay mikraoba dia mikosoka ny masony indray iny avy eo dia voa. Mikoso maso ilay olona marary dia izay kasihiny avy eo misy aretina daholo na mosara io na seza na inona. Izay mikasika an’ireny ka mikoso-maso dia voa. Fisorohana, noho izany, ny fihezahana tsy mikasikasika an’io maso io. Sasana amin’ny rano sy savony ny tanana alohan’ny hikasihana maso na alohan’ny hanasana tarehy, loha, handroana sy ny maro hafa. Aretina efa misy foana io fa mety matanjaka angamba ilay bakteria amin’izao matoa miparitaka ilay izy. Tsy fiarovana amin’ny areti-maso ny solomaso fa azon’ny rehetra hanaovana anefa. Ny tsy fikasihana maso ihany no fiarovana amin’ny areti-maso. Aleo ny dokotera ihany no manome ny fanafody fa misy tena saropady. Mbola vitsy no voan’izy io raha eto Antananarivo satria raha misy olona miisa 100 izao no marary tonga ato aminay dia 3 fara-faha-betsany no voan’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique