airtel

Fahasalamana

25-août-2022

Fahasalamana

Dr Jo “Zazakely herintaona izao dia tratran’ny homamiadana”

Sample post image

Mila fitsaboana ny firenentsika, hoy ny dokotera mpitsabo sady mpahita, Jean Pierre Jo Rakotoarisoa na Dr Jo.

25-août-2022

Isaorana Andriamanitra mbola nanome fahagagana ahafahana manao fanasitranana fa na eo aza ny talenta dia mba heritrereto hoe olona efa potika, mivoaka nana, voan’ny homamiadana mbola sitran’ny tena ihany, hoy izy. Tsy noho ny heriko izany fa noho ny herin’i Jesosy. Hitety faritra izahay hampahafantatra ny olona hoe inona no atao hoe homamiadana satria be dia be izao no voan’io aretina io eto Madagasikara. Firifiry no miantso ahy manerana an’i Madagasikara? Tafiditra anaty loto maro ny ankamaroan’ny taranantsika izao. Eo ny fahavetavetana sy fijangajangana. Eo ny loto ara-tsakafo. Be dia be. Miala tsiny amin’ny mpitondra fanjakana aho. Ny fitondram-panjakana nifanesy teo nanana ezaka fa ny fahitako azy dia be dia be ny zavatra tsy nety. Be dia be ny zavatra tsy voafehy dia izao miparitaka izao ilay izy. Zazakely herintaona izao dia efa tratran’ny homamiadana. Andao isika hifankatia sy hiray hina dia hiady amin’izao fahantrana sy aretin-dratsy izao satria niakatra be koa izao ny tahan’ny voan’ny SIDA. Ny SIDA dia homamiadana. Izay no mahatonga azy tsy sitrana io. manan-karena ara-boajanahary maro isika ary izahay mpitsabo dia manao fikarohana amin’ireo zava-maniry harentsika ireo. Ny vahoaka tsy an’asa sy sahirana koa anefa be dia be ary mampalahelo. Izahay moa dia mangataka amin’i Jesosy foana hoe mba omeo mpitondra hendry ity firenenay ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap