marary rehetra na manam-bola na tsia..."
Nohamafisin’ny Dokotera Manitra RAKOTOARIVONY fa tsy asa fivelomana tsotra ny fitsaboana, fa asa masina izay mitaky andraikitra sy fitiavana ny mpiara-belona. Tokony horaisin’ny mpitsabo avokoa ny marary rehetra manatona azy, hoyzy na manam-bola na tsia, satria aina no karakaraina.
TSY AMPY FITAOVANA
Anisan’ny olana sedrain’ny mpitsabo anefa ny tsy fahampian’ny fitaovana, ny hamaroan’ny asa ary ny olana ivelan’ny toeram-piasana izay mety hisy fiantraikany amin’ny asany. Notsiahiviny ihany koa ny mety ho fifanoheran-kevitra ateraky ny fampiasan’ny marary ny faharanitan-tsaina artifisialy (intelligence artificielle) eo amin’ny fahazoana sy fandikana ny torohevitra ara-pitsaboana. Efa misy araka izany ny fampiofanana ireo mpianatra ho mpitsabo momba ny fomba fifandraisana amin’ny marary.Nanao antso tamin’ny marary ihany koa i Dr Manitra mba hanana faharetana mandritra ny fizahana sy ny fitiliana ataon’ny mpitsabo, satria ilaina izany mba hahafahana mametraka fitiliana marina sy manome fitsaboana mifanaraka amin’ny aretina. Ankoatra izany, mbola maro ny olana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara, indrindra ny fahasarotan’ny fampiharana ireo fanentanana ara-pahasalamana. Notsindriany manokana i ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fitaovana sy fomba fisorohana aretina, toy ny lay misy odimoka izay lasa ampiasaina amin'ny fanaratona , ny fanadiovana ny rano fisotro izay zary ampiasaina hanasana lamba ary ny fimailo, izay natao hiarovana amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo izay lasa ampiasaina amin'ny volo , kanefa ho an'ny madagasikiara manokana amin'izao fotoana izao dia mitombo hatrany ny tahan'ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH . Izay anisan'ny olana goavana misy eto Madagasikiara.
FIARAHA-MIASA
Ho an’ny Dokotera Manitra RAKOTOARIVONY, mila fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin’ny mpitsabo sy ny marary ny fitsaboana. Nampita hafatra tamin’ireo mpitsabo namany izy mba tsy hanavakavaka ny marary, hanaja hatrany ny fianianana nataony ary hiezaka hanatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.
Nangonin'i Narindra