airtel

Fahasalamana

30-nov-2022

Fahasalamana

Dr Manitra Rakotoarivony « Raha azo atao dia aza mitangorongorona mihitsy aloha »

Sample post image

Fotoanan’ny fitangorongoronan’ny olona ny ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona tahaka izao.

30-nov-2022

Etsy an-daniny anefa efa nahitana olona iray matin’ny valan’aretina COVID 19 sahady tato anatin’ny herinandro izao izany hoe : nanomboka ny 19 ka hatramin’ny 25 novambra teo. Nisy ihany koa ireo olona 5 tratry ny forme grave raha manodidina ny 205 ireo marary tsotra ka ny 172 amin’ireo dia eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Miantso ny rehetra mba samy hitandrina ny fahasalamany araka izany Dr Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy ny havokavoka ihany mantsy no henjehin’ity areti-mandoza ity hoy izy fa eo ihany koa ny atidoha sy ny tsinay, antony mamparary mafy ny loha sy ny kibo. Raha azo hatao araka izany hoy izy dia aleo hajanona mihitsy aloha ilay fitangorongorona. Ho an’ireo mahatsiaro tsy fahasalamana tampoka toy ny havizanana be, manavy, manakotsako vanin-taolana dia nomarihiny fa tsara raha manatona eny amin’ny Village Voara avy hatrany manao fitiliana. Manomboka amin’ny 08 ora maraina dia efa mandray ny eny an-toerana hoy izy ka hatramin’ny 04 ora hariva.
Pati
Legende : Dr Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Ankizy am-polony latsaky ny 15 taona no nozahana maso maimaim-poana omaly Alatsinainy 29 Aprily

Card image cap
29-avril-2024

Antonony ny fanaovana firaisana ara-nofo in-droa isan-kerinandro ho an’ny lehilahy iray, raha ara-dalana ny toe-pahasalamany raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray.

Card image cap